Actualités

Fikononkononana fanakorontanana Raikitra ny fizaram-bola eny amin’ny 67Ha


  • Alatsinainy 18 Jolay 2016

Misy mikononkonona asa fanakorontanana eto Antananarivo amin’izao fotoana izao.

 

 Raha ny feo mandeha, mpanao politika no voalaza fa ao ambadik’izany ka ahitana olom-boafidy am-perinasa sy Mpikamban’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita teo aloha. Manangona vatan-dehilahy izy ireo raha araka ny feo re mba hitarika olona hidina an-dalambe. Voalaza fa hanao hetsika isaky ny faritra misy azy izy ireo vatan-dehilahy ireo ka tanjona amin’izany ny fiaraha-mirona eny amin' ny kianjan'ny 13 mey rehefa mahazo vahana ny isam-paritra. Teny amin’ny faritr’i 67 Ha iny dia efa nisy mpanao politika iray tamin’ny andron’ny tetezamita hitan’ny mponina nizara vola ny faran’ny herinandro teo. Fiara 4x4 Prado fotsy mitondra ny laharana 5139 T…voalaza fa an’ny mpanao politika iray lohandohan’ny mpisorona tamin’ny andron’ny tetezamita no tazana nihaodihaody teny an-toerana sy nizara vola hanakaramana olona hanakorontana.


 Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT