5%n’ny karbaonina maneran-tany dia eto Madagasikara, hoy ny filoham-pirenena Malagasy nandritry ny COP 26, araka ny fampahatsiahivan’ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso.
Tsara jerena izany amin’ny fanentanana ny olona rehetra amin’ny fikojana ny tontolo iainana, hoy ny filohan’izy ireo, Jerry Rakotoarijaonina. Nisy nanimba antsika ihany koa ny natao tany aloha tany satria ny fampidirana ny hazo kininina izao nanimba tany satria mitroka rano. Toy izany koa ny hazo “sapin”. Tokony jerena amin’ny antsipiriany na ny fifantenana hazo ambolena na ny fikojana ireo hazo voavoly. Mikasika ny vidim-piainana moa dia mananika ny faran’ny taona isika izao ary fotoanan’ny tsena. Manararaotra ny rehetra satria eo ilay hoe tao anatin’ny 2 taona izay dia tsy nahitana mangirana ny tsena faran’ny taona. Misy ireo manararaotra mihoa-pampana mihevitra fa hanavotra ny fantiantoka tao anatin’izay 2 taona izay. Mampiakatra ny vidina entana ilaina an-davan’andro dia lazaina fa miakatra ny saran’ny entana avy any ivelany. Tairina ny tomponandraikitra mba hijery akaiky izay fototry ny olana. Sao dia tsy eny an-tsena fa any amin’ny fanafarana ny entana dia any no vahana? Antsoina koa ny olona rehetra mba tsy hanararaotra mihoam-pampana ao anatin’izany zavatra izany satria isika ihany no hifamono sy hiaraka hianjera eto amin’izany, hoy hatrany ny VAR.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.