Fikirakirana ny voka-pifidianana

> Tsy misy resaka mihitsy


  • Zoma 11 Oktobra 2013

Dingana telo lehibe mifampiankina tanteraka amin’ny fisorohana ny korontana eo amin’ny firenena ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ireo fepetra tokony hohajaina mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana.

Raha ny niainantsika hatramin’izay teto Madagasikara manokana no asiana teny dia matetika any amin’ny tsy fankatoavana ny voka-pifidianana foana no misy izay tsy fitovian-kevitra izay ka mitarika any amin’ny fahapotehan’ny firenena, raha ny fandinihan’ny manampahaizana eo amin’ny tontolo politika. Asa aloha izay tena fahamarinan’izany fa ankehitriny isika dia hiroso amin’ny fifidianana filoham-pirenena indray ary efa miaina tanteraka amin’ny dingan’ny fampielezan-kevitra. Afaka tapa-bolana ihany koa dia hanatanteraka ny latsa-bato ataon’ny olom-pirenena. Aorian’izay dia miandrandra ny famoahana ny voka-pifidianana. Mikasika ity farany ity indrindra dia ilaina ny fampahafantarana sy fankatoavana ireo fitaovana fikirakirana ireo tatitry ny fizotry ny fifidianana avy amin’ireo kandida sy ireo mpanara-maso ary tokony ho fantatra ao anatin’ny 24 ora ihany koa ny vokatra, raha ny hevitry ny «Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes». Ny zava-misy ankehitriny anefa dia sady tsy nisy ny fankatoavana ireo fitaovana ampiasaina amin’ny famoahana ny fifidianana avy amin’ireo kandida sy ireo mpanara-maso no iray volana no halavan’ny fe-potoana hanambarana ireo voka-pifidianana. Atahorana araka izany ny fanodinkodinana ny safidin’ireo olom-pirenena ary tsy ferana ny tsy fanekena ireo vokatra mety hivoaka, hoy ny CCOC.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT