Actualités

Fikasana hamono olona Nalaina am-bavany omaly tany an-tranony i Raissa


  • Talata 15 Febroary 2022

Taorian’ny nahaterahan-dRazaivola Raissa ny herinandro lasa teo dia fantatra fa notanterahina omaly alatsinainy 14 febroary 2022 ny fihainoana sy ny fakana am-bavany azy notanterahin’ny mpitandro ny filaminana.

 Tany an-tokantranony no nanaovana izany raha araka ny loharanom-baovao azo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia efa nokarohin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava, noho ny raharaha fikasana hamono olona teny Alakamisy Fenoaroivo ity renim-pianakaviana ity. Noho ny daty niantsoana azy hohenoina nifanandrify tamin’ny daty hahaterahany anefa dia tsy afaka ny niatrika izany ity renim-pianakaviana ity fa ireo mpisolovavany no tonga nanatitra ny taratasy momba azy teny anivon’ny mpitandro ny filaminana toy ny ekografia manamarina izany…. Nivadika ho fampilazana fikarohana anefa izany ny ampitson’iny, antony nahateraka tsy fidiny ity renim-pianakaviana ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy no Razaivola Raissa, ilay namoahan’ny mpitandro ny filaminana fampilazana fikarohana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT