Tanjonay ny hamerina ny mpikirakira ny lalana rehetra na mpanao fanadihadiana na mpitsara na mpisolovava hiverina ao anatin’ny ara-dalana,
hoy ny isan’ireo mpisolovava ireo voarohirohy tamin’ny raharaha Jeneraly Richard Ravalomanana, ny Maitre Maka omaly. Araka ny voalazan’ireo zandary, hoy izy, dia manana porofo izy ireo fa ireo olona ireo dia mikasa marina ny hamono ny minisitra avy nanao filankevitry ny minisitra teny Iavoloha. Voasambotra teny Androndrakely ireo olona ireo hiandry ilay minisitra hody. Ny tena zava-nisy sy tsara ho fantatry ny vahoaka Malagasy dia mpivarotra fiara no asan’ireo olona ireo. Rehefa misy, noho izany, ny miteny aminy hoe ento aty ilay fiara toy izao fa ho vidiako dia mankany ry zalahy. Tamin’io andron’ny alarobia 23 jona io dia narary tao an-trano ny iray tamin’izy 3 lahy. Ny namany kosa no nahazo ilay antso hoe ento aty ilay 207 anareo fa atakalonay Kia. Dia niala avy eto Antananarivo izy ireo dia niantso ilay iray mipetraka eo Androndrakely ilay iray avy eny Analakely hoe ento aty ilay 207 fa misy hividy. Nandeha moto ilay iray niala teo Androndrakely nankeo amin’ny Station Jovena Androndrakely. Najanony teo ny Moto dia nandeha fiara izy 3 lahy nankany Andoharanofotsy. Any izy manao ilay fifanakalozam-barotra no misy miantso hoe tongava aty amin’ny Station Jovena Androndrakely fa misy Kia amidy mora ato. Novitaina haingana ny natao tany Andoharanofotsy dia niverina izy. Tonga eo Androndrakely izy dia voasambotra. Aiza ho aiza amin’izay ilay hoe efa niomana hanao famonoana ireo olona ireo? Voaray any anaty fanadihadiana mihitsy ilay laharan’ny finday niantso hoe tongava eto. Hatraiza ilay ilazana ao anatin’izany fa misy porofo? Any am-panaovana fanadihadiana izany dia efa manasazy ny “officier de police judiciaire” hanagadra hoe meloka ireto olona ireto, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.