Actualités

Fikarohana momba ny vato Tsy misy ny fotodrafitrasa handraisana ny mpianatra


  • Talata 19 Jolay 2011

Mbola olana ho an’ny Fakiolten’ny siansa amin’izao fotoana ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa handraisana ireo mpianatra manam-pikasana ny hanohy ny fianarany amin’ny alalan’ny fikarohana momba ny vato.

 Eo an-danin’izay anefa dia lasa mahasarika ireo tanora mpianatra eto amintsika izy io tato anatin’ny dimy taona araka ny fanazavan-dRalison Bruno, lehiben’ny departemanta “sciences de la terre” eny anivon’ny anjerimanontolo. Voatery nanova paikady amin’ny fandraisana ny mpianatra ity departemanta ity noho izany. Tsy amin’ny alalan’ny fifantenana ny antontan-taratasin’ireo mpianatra ao amin’ny taona faharoa nandalina momba ny siansa intsony no hahafahana mandray mpianatra iray fa lasa amin’ny alalan’ny fitsapam-pahaizana.

Antony, dia noho ny tsy fahampian’ny manampahaizana momba ny harena ankibon’ny tany eto amintsika. Fantatra izany nandritra ilay atrikasa momba ny harena ankibon’ny tany sy ny tany izay notontosaina teny amin’ny fakiolten’ny siansa eny Ankatso omaly. Hetsika nifanindran-dalana tamin’ny tohin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ity fakiolte ity. Nisy ny fitokanana ny trano vaovao fanaovana fikarohana natokana ho an’ny Association des géologues chercheurs Malagasy nandritra izany, fotodrafitrasa izay natao indrindra mba hanampiana azy ireo hahafahana mampitombo ny ambaindain’ny fahalalany.

Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT