Actualités

Fikarohana ilay satroboninahitra Andrasana indray izay ho vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny Interpol.


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Isan'ireo andraikitry ny borigady miady amin'ny piraty na BAP ny fikarohana ireo harem-bakoka, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly.

Nanamarika ny fankalazana ny faha 10 taonan'ity borigady ity ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin'ny Interpol izay mandray anjara amin'ny fanenjehana ireo mpangalatra na mpanao hosoka eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Isan'ireo hiaraha-miasa amin'io sehatra io ny fitadiavana ilay satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona III, very teny amin'ny lapan'Andafiavaratra. Misy ny rindran-tserasera iraisampirenena napetraka ahafahan'ireo firenena hafa mandray fepetra misambotra na mangeja ireny harem-bakoka ireny raha hita any amin'izy ireo, hoy ny fanamarihan'ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera, Lalatiana Andriatongarivo. Nanao sonia izany fiaraha-miasa izany ny solontenan’ny Interpol eto Madagasikara, ny kaomisera Rabialahy Jean Rostand, sy ny mpandrindra nasionalin'ny BAP, ny kaomisera Rarivoanantsoa Eddy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly. Tsiahivina fa efa tamin’ny desambra 2011, izany hoe andron’ny tetezamita, moa no very ity satroboninahitra ity ary tsy izy io akory no tafaverina ny novambra 2020 fa ny tatarom-piandrianany ihany. Mampametra-panontaniana ankehitriny hoe inona no antony mampitarazoka, mba tsy hilazana hoe antony mbola tsy maha tafaverina ity satroboninahitra ity ihany hatramin’izao? Dia tena sarotra be ve no nahita fiaraha-miasa iraisampirenena tahaka ity omaly ity? Mbola andrasana rahateo indray koa moa izay ho vokany.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT