Fikarakarana lanonana tamin’ny lalam-pirenena

> Niteraka lozam-pifamoivoizana namoizana aina


  • Alarobia 05 Martsa 2014

Namoizana aina ny hetsika fifaninanana mitondra moto notontosaina tamin’ny lalam-pirenena faha-44 tao Ambatondrazaka. Moto iray manao andrana no nifaoka olona iray niampita ny arabe.

Mafy ny fifandonana ka nipitika sy nitsirara tamin’ny arabe ny mpitondra ilay moto sy ilay olona voadona. Nifamonjena nentina teny amin’ny hopitaly izy roalahy kanefa noho ny fahaverezan-dra be loatra tamin’ilay olona voadona dia tsy tana ny ainy ora vitsy taorian’ny nitondrana azy teny amin’ny tobim-pitsaboana. Nahagaga sy nahazendana ny rehetra ihany aloha ny nanaovana ity fifaninanana mitondra moto tamin’ny lalam-pirenena tao an-drenivohitry ny Distrikan’Ambatondrazaka ity. Tany aloha dia tamin’ny toerana malalaka tsy manelingelina fifamoivoizana no nanatanterahana io fifaninanana io. Samy nanome tsiny ny mpikarakara ny ankamaroan’ny olona nahita maso io loza nitranga ny faran’ny herinandro teo io. Fialamboly no noeritreretina kanjo famoizana aina no niseho. Tsikaritra fa tsy voafehin’ny mpikarakara ny fandaminana ny mpijery sy ny olona mampiasa ny arabe. Ny fitakiana vola 1000 Ariary ho saran’ny fijerena ilay fifaninanana aza no nahamaika ny mpikarakara fa adino ny fitandroana ny lafiny filaminana sy ny ain’ireo mpifaninana sy ny mpijery. Betsaka ireo nanambara fa tsy tokony hitadiavam-bola ny lalam-pirenena, indrindra ny ao an-tampon-tanàna satria sady manelingelina ny mpampiasa lalana no miteraka lozam-pifamoivoizana.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT