Actualités

Fikaonandoha momba ny fambolena “Sao dia tetika hanomezana tombony ireo orinasa goavana ?”


  • Talata 24 Mey 2022

Mampametra-panontaniana maro, hoy ny mpanao politika, Zaza Ramandimbiarison, ny mikasika ity fikaonandoha momba ny fambolena atao ny 16 hatramin’ny 18 jona ity.

Ho tombontsoan’ireo orinasa goavana samirery ve izy io, hoy izy, izany? Tena afaka hiantoka ny fahaleovantena ara-tsakafon’ny Malagasy maro an’isa tokoa ve? Sao dia mba fakan-kevitra ahafahan’ireo orinasa vaventy hamoaka vokatra hitondra ny marika azy avy ho jifain’ny malagasy fotsiny ihany? Tsy tokony ho atao lohalaharana amin’ny fandraisana anjara anatin’izany fikaonandoha izany ve ireo tambanivohitra malagasy? Ireo no tena tokony ho lohalaharana amin’ny ady amin’ny fahantrana. Sao dia mba any amin’ireo faritra tena tompony amin’ny lafiny famokarana no hanaovana an’io? Ao ny lemak’Alaotra, Marovoay, Bealanana, Bas Mangoky, Manombo, Taheza. Mba tena hanana ny solontenany avy ve ireo tambanivohitra sy tantsaha malagasy isam-paritra amin’io? Any Ambanivohitra no misy ny Malagasy maherin’ny 20 tapitrisa ary tantsaha ny 80%ntsika. Raha atao hoe namokatra tamina velaran-tany mirefy 1,2 hektara ny ankapoben’ny Malagasy hatramin’ny taona 1985 dia zara raha manodidina ny 0,70 hektara izany sisa ankehitriny. 40% izany no fihenan’ny taham-pamokarana tao anatin’ny 30 taona. Tsy mahagaga raha toy izao ny fahantrantsika. Sao dia mba tokony hiompana any amin’ny fampandrosoana ny fandraharahana amin’ny tontolo ambanivohitra amin’izay ity tetikasam-panjakana ankehitriny ity, hoy hatrany ny fanontaniany ?
J. Mirija
Legende: Zaza Ramandimbiarison
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT