Nifarana omaly talata 04 martsa 2014 ny fihaonamben’ireo mpikambana ao amin’ny Komity mikatsaka ny fampihavanam-pirenena manerana ny Nosy izay notanterahana teny amin’ny «Espace Kintana» Mahazoarivo nandritra ny roa andro.
Taorian’ny fikaonan-dohan’ireo mpizaika izay niady hevitra sy nifandresy lahatra dia nisy ny fehin-kevitra izay nivoaka. Miisa enina izy ireo dia eo ny faneken’ny rehetra fa miteraka vesatra ara-politika teto amin’ny firenena ny tantarantsika ka mila soratana ny tantara marina hialana amin’ny manjavozavo, ny fiovana ara-ideolojika sy ara-politika izay ilaina fifanomezan-tanana sy fifampizarana traikefa eo amin’ny fahefana mahefa, ny fametrahana ho andrimpanjakana ny CRN ary hampidirina ho fandaharanasa eny anivon’ireo ambaratonga rehetra any an-tsekoly. Voatsindry manokana ao amin’ny fehin-kevitra faha-4 ny fampiharana maika ny fahamarinana sy ny fampihavanam-pirenena amin’ny lafin-javatra maro izay mila mipaka hatrany amin’ny fifamelan-keloka hahatrarana ny tanjona dia ny haha firenena iray sy haha Malagasy iray ihany ny mponina eto Madagasikara. Ny teboka faha-5 dia ny tokony hamoahana didy haingana ny amin’ny famoahana ireo gadra politika rehetra, ny famerenana amin’ny laoniny ireo haino aman-jery nakatona ary ny fijerena manokana ireo mbola iharan’ny faneriterena. Ny teboka faha-6 dia manamarika fa ny fametrahana Lalàmpanorenana mifototra amin’ny tombontsoam-bahoaka marina vokatry ny fifidianana madio sy mangarahara no hampiharina hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Atolotra ireo manampahefana sy fikambanana samihafa misy eto amin’ny firenena malagasy moa ireo fehin-kevitra nifaneken’ireo mpandray anjara rehetra tamin’ity loabary an-dasy notanterahana teto an-drenivohitra ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.