Actualités

Fikambanana Zanadranavalona Tsy maintsy miverina amin’ny tompony ny fanjakana


  • Alatsinainy 16 Jolay 2012

Niavaka ny hetsika fanangonam-bola ho fanatanterahana ny Alahamady 2012 nataon’ny fikambanana Zanadranavalona teny Lazaina omaly alahady 15 jolay.

 Nifanandrify tamin’ny faha-50 taona niorenan’ny fikambanana ara-panjakana izy ity, ary maro ireo Ampanjaka sy Mpanjaka, printsy sy tangalamena ary sojabe maro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy nanotrona ny lanonana. Tazana tao koa ny minisitra Tabera Randriamanantsoa, Printsy Kamamy Magloire, Pr Miandrisoa Marcel, ny Printsy Razafintsiandraofa Jean Brunelle, Kolo Roland, kolonely Ratelo André, Aro Rajoelina, Mahakasa, Tangalamen’Andevoranto Zakariasy Patrick, ny Rév. Dr Ndriana Rabarioelina filohan’ny fihaonamben’ny Ampanjaka zanak’Andriana eto Madagasikara. Niraisan’izy rehetra hatramin’ny filohan’ny fikambanana Zanadranavalona Ny Andriana Ravelonarivo Alain Eddie Louis tamin’ireo kabary nifandimbiasana fa manomboka amin’izao fihaonan’ny mpitantana nentim-paharazana rehetra manerana ny Nosy izao ny fampihavanam-pirenena hivoahantsika amin’ny krizy satria ny fihavanana no voizin’ny fanjakana ankehitriny ka indreto isika manatanteraka ny fihavanantsika.

Ary dia niray feo koa izy rehetra fa ny fanjakana tsy maintsy miverina amin’ny tompony ary tsy hisy filaminana eto raha tsy izay no miseho. Ny famerenana ny kolontsaina Gasy fa tsy fivorivorian’ny Malagasy no mahatafaverina ny soatoavina noravan’ny Vazaha, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Marihina fa nanolotra iray tapitrisa ariary ho an’ny fikambanana Zanadranavalona anjara amin’ny fanangonam-bola ataony ireo Ampanjaka sy mpanjaka ary tangalamena sy printsy tonga namonjy ity koranam-pifaliana teny Lazaina ity. Ary dia nifamotoana amin’ny rehetra indray amin’ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy na ny Alahamady 2012 hotontosaina eny Anosimanjaka ny 1, Vava Alahamady (1vv) na sabotsy 18 aogositra 2012. fandroana, famonoana omby, kabary, fitsofandrano, totorebika, fiaraha-misakafo ary Fizarana hena manitra no fandaharam-potoana amin’izany.

Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT