Actualités

Fikambanana Zana-dRanavalona Anosimanjaka Ny Andriana Rakoto Clark no lany filoha vaovao


  • Alatsinainy 20 Jona 2011

Nampitsanga-nitoetra ara-bakiteny ireo niaritra ny fanisam-bato hatramin’ny farany tetsy amin’ny Epp Analakely, omaly alahady, ny fiandrasana ny vokatry ny fifidianana natao nahafantarana izay ho filoha vaovaon’ny fikambanana Zana-dRanavalona Anosimanjaka.

 Nifanenjika hatrany am-boalohany ny isam-bato azon’ireo mpifaninana mirahalahy, dia ny Andriana Rakoto Clark sy ny Andriana Raharijaona Emile. Nifandimbiasana ny fitarihana isa teny amin’ny tabilao ary tamin’ny farany dia isa roa sisa no nanasaraka azy ireo ka ny vato farany no nanome ny Andriana Rakoto Clark ny fandresena (182 no ho 180). 366 no isan’ny mpifidy tonga, 2 avy ny vato maty sy vato fotsy. Nifamihina sy nifanoroka ary nifandray tanana ny roa tonta ary niarahaba manokana sy nirary soa ny mpandresy ny Andriana Raharijaona Emile. “Tsy olana mihitsy ny fandresen-dRakoto Clark”, hoy izy. Avelao izy hitondra ny ekipany amin’ny fitantanana fa izahay akory tsy mihataka fa eo foana ary vonona foana amin’ny adidy hatao amin’ny fikambanana. Ny fihavanana ny anay no zava-dehibe. Misaotra an’ireo nifidy ahy sy ireo tsy nifidy ahy koa aho, fa izaho izao dia filohan’ny Zana-dranavalona rehetra, hoy ny voalohan-tenin’ny Andriana Rakoto Clark tetsy Analakely omaly. Nambarany koa fa : ny hanandratra hatrany ny hasin’ny fikambanana no tena himasoany voalohany ary ny hampanjaka ny firaisankina sy ny fifankatiavana. Nisy moa ny fiaraha-mifaly voalohany nomanin’ny filoha vaovao teny Itaosy taorian’ity fahalaniany ity. Nomarihan’ireo komitim-pifidianana nahitana ireo zokiolona maro ao amin’ny fikambanana fa ity no anisan’ny fifidianana nilamina indrindra teo amin’ny Zana-dRanavalona hatramin’izay ary nisian’ny firaisankinan’ny rehetra mihitsy.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT