Fikambanana SFF II

> Nitondra fanampiana ara-tsosialy tao Tsiadana


  • Alatsinainy 04 Novambra 2013

Miezaka mamaly araka izay tratrany ireo hetahetan’ny mponina mpiara-belona ao amin’ny Boriborintany faharoa misy azy ny fikambanana Solofon’ny Faritra Faha Roa.

Ny sabotsy 02 novambra 2013 tolakandro teo ary dia tonga nitondra fanampiana ara-tsosialy ireo mponina ao amin’ny Fokontanin’i Tsiadana ireto mpikambana ao amin’ny SFF II tarihin’ny filohany Rabemanantsoa Jean Rojo ireto. Nandritra io fotoana io no nanoloran’ny fikambanana fanamiana ara-panatanjahantena miisa 34 ho an’ireo mpilalao baolina lavalava Espoir Tsiadana izay niatrika ny lalao ampahavalon-dalana hiakarana ho anisan’ireo ekipa 14 sangany eto an-drenivohitra omaly teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka. Teo ihany koa ny nanomezan’izy ireo fitaovana sy fanamiana ho an’ny mpihira vakisaovan’ny Fokontany ary tsy adino tao anatin’izany ny fizarana vary 2 kilao, tsaramaso 3 kapoaka, menaka ary fanomezana tsiron-kanina ho an’ny tokantrano sahirana miisa 200 ao anatin’ity Fokontany ity. Na dia vao tamin’ity taona 2013 ity aza no niforona ny fikambanana dia efa maro ireo fanohanana ara-tsosialy notanterahan’izy ireo toy ny hetsika fanoloran-tanana ireo mpiara-monina tao amin’ireo Fokontany 4 amin’ireo 24 mandrafitra ny Boriboritany faharoa nandritra ny fetin’ny fahaleovantena tamin’ny 26 jona lasa. Tanjon’ny fikambanana SFF II moa, araka ny fanazavana nomen’ny filoha mpanorina Rabemanantsoa Jean Rojo ny fampandrosoana ny fiarahamonina. Mbola hitohy moa ity hetsika ara-tsosialy karakarain’ny fikambanana ho an’ireo mponina ao amin’ny Boriborintany faharoa ity.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT