Actualités

Fikambanana AFHAM Folo taona nanampiana ireo vehivavy manana fahasembanana


  • Alarobia 25 Aogositra 2021

Folo taona katroka ny nanampiana ireo vehivavy manana fahasembanana eto amintsika ny AFHAM na ny Association des femmes handicapées de Madagascar, tarihin-dRazafinjato Fela.

 Ny 31 Aogositra taona 2011 no niorina ny fikambanana izay ahitana mpikambana maherin’ny 600 ankehitriny, miparitaka manerana ny faritra 19 eto amin’ny Nosy. Raha folo teo ho eo no niandohan’ny mpikambana teny aloha dia iray ihany koa ny mpiara-miasa raha 10 tapitrisa Ar no lela-vola nokirakirain’ny fikambanana. Ankehitriny ny 2/3-n’ireo vehivavy manana fahasembanana mpikambana no efa mahavelon-tena ara-dalana sy afaka niharina tamin’ny fiainana raha efa mahatratra 200 tapitrisa Ar kosa ny vola kirakirain’ny fikambanana ankehitriny, tohanan’ireo mpamatsy vola miisa 16. Azo lazaina ho fahombiazana tanteraka no azo hoy Razafinjato Fela, filohan’ny fikambanana, antony hanaovan’izy ireo lanonana makotroka entina hanamarihana izany. Hanomboka rahampitso alakamisy ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy amin’ny Talata 31 Aogositra ho avy izao. Ankoatra ny fifaninana dihy sy hira tanterahin’ireo vehivavy manana fahasembanana, ny fampisehoan’izy ireo ny fahaiza-maoany dia anisan’ny hodinihina mandritra izany ihany koa ny fiovana entin’ny AFHAM ho an’ireo vehivavy manana fahasembanana ato anatin’ny 10 taona ho avy. Anisan’izany ohatra ny fametrahana ny fikambanana any amin’ny Faritra Androy…. Tsiahivina moa fa tao anatin’izay 10 taona izay dia nahatratra 514 ny tetikasan’ireo vehivavy manana fahasembanana notohanan’ny AFHAM. Miisa 2.328 iro fanentanana sy fampianarana efa vitany narahin’ny fiofanana miisa 117 sy ireo karazam-pikarohana miisa 5 vitany.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT