Actualités

Fikambanana ADS “Deraina ny fitondrana raha mahavita mampiasa an’i Tsimiroro”


  • Talata 02 Aogositra 2022

Isan’ireo nanotrona ny dinik’asa iombonana ho fanavotam-pirenena natao tetsy Behoririka ny sabotsy teo ny fikambanana ADS na “Abattoir dynamique solidarité”.

Naneho ny fahafaham-pon’izy ireo nanoloana iny dingana vita izy ireo omaly. Teboka miisa, hoy izy ireo, no tena takianay. Voalohany, ny fampihavanam-pirenena tena izy, hoy ny filohan’ny ADS, Lova Andrianjaka. Faharoa, fanarenana ifotony, izany hoe, atomboka ety amin’ny kaominina amin’ny alalan’ny fokontany ny fifidianana hatao. Miara-mientana ny mpanao politika eny amin’ny fokontany hanapaka sy hanadio ny lisitry ny mpifidy. Isan’ny tena nifantohana tao amin’ny IT Behoririka rahateo io. Mila ovana mihitsy ny lalam-pifidianana satria ny andininy faha 45,46,47 hatramin’ny faha 50 dia manambara tsara mihitsy fa ny safiotra na manana zom-pirenena miisa 2 dia tokony tsy hirotsaka ho fidiana intsony. 45 taona noho miakatra no tokony mahazo milatsaka filoham-pirenena. Ny tsy hisian’ny ra mandriaka no tanjona. Toy izay no fototry ny adihevitra tao izay ho alefa eny anivon’ny antenimieram-pirenena amin’ny fivoriana manaraka. Tsy maintsy ho mpanohitra rahampitso ny mpitondra amin’izao. Ny fahatelo moa dia ny tokony ho fisitrahan’ny olompirenena rehetra tsy an-kanavaka ny harem-pirenena fa tsy ho ny vazaha hatrany no hisitraka izany. Nifanena tamin’ny fotokevitra hijoroan’ny ADS ny tao. Antoko politika, vovonana, fikambanana, fiarahamonim-pirenena miisa 180 teo moa no nahatonga solontena teny an-toerana, raha ny fanazavana hatrany. Ny fiandohan’ny septambra indray kosa no heverina ho fihaonana manaraka. Tokony hifampihaino ny mpitondra sy mpanohitra. 32 ny isan’ny olona maty nefa ny mpitandro filaminana magro no feno azy. Miantso ny fitondram-panjakana mba handray andraikitra faran’izay haingana amin’ilay fampiasana ny menaka mavesatr’i Tsimiroro fa tena hiderana azy raha vitany izany, hoy hatrany ny ADS.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT