Nihaona tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana tetsy Anosikely omaly, ny fikambananan’ny Ben’ny Tanŕna antanan-dehibe eto Madagasikara notarihin’ ny filohany Razanakolona Paul
, Ben’ny tanànan’Antsirabe notronin’ireo Ben’ny Tanànan’Antsiranana, Nosy-Be, Toliara, Mahajanga ary ny solontenan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo. Nampahalala ny fananganana ny atao hoe : Tranoben’ny Ben’ny Tanàna (Maison des Maires) izy ireo mba handrindrana ny fomba entina mampandroso ireo Kaominina manerana ny Nosy. Nanaiky ny hanampy amin’izany ny Ben’ny tananan’Antananarivo ary efa eo am-pikarakarana ny toerana. Ny Filohan’ny Antenimierandoholona tetsy an-kilany nanampahatsiahy fa mainga eny anivon’ireo vondrombahoakam-paritra ny fampandrosoana an’i Madagasikara ka manana andraikitra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Ben’ny Tanàna ireo Loholona rehetra, indrindra amin’ny fanapariahana ny enti-manana ho amin’ny fampandrosoana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.