Actualités

Fikambanam-behivavy tantsaha Mikasa ny hanondrana vary evoka


  • Alatsinainy 28 Novambra 2022

Tontosa ny zoma 25 novambra teo tetsy amin’ny IBIS Ankorondrano ny latabatra boribory momba ny vary nohatsaraina na vary evoka.

Nikarakara ny fihaonana ny Africa Rice notarihin’i Dr Mujawamariya Gaudiose, niaraka amin’ireo fikambanam-behivavy tantsaha mpamokatra vary. Tonga nikaon-doha ireo mpiantsehatra avy amin’ny vary sy ireo mpamatsy vola nahitana ny GIZ, ny JICA, ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ary ireo Ministera maro isan-tsokajiny. Nizara ny zava-misy ifotony iainan’izy ireo any amin’ny faritra misy azy avy ireo fikambanam-behivavy avy amin’ny faritra Vakinankaratra , Alaotra Mangoro, Bas Mangoky ary Menabe. Olana iraisan’ireo fikambanam-behivavy tantsaha ny olana ara-tany, ny ara-bola ary ny ara-pitaovana. Eo ny tsy fahampian’ny tany volena ka maniry hanitatra ny tanimbary sy ny tanimboly izy ireo. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fitaovana enti-mamokatra ary ny tsy fahitana tsenam-barotra. Soso-kevitr’ireo vehivavy tantsaha mpamokatra ny hiaraka hiasa amin’ny PAM sy ireo vondrona mpanampy ny traboina mba hanjifa ny vary evoka ; ny hivarotra vary nohatsaraina amin’ny sekoly izay manao ‘cantine scolaire » satria vary be otrikaina, be vitamine sady mahasalama ary mateza kibo ny vary evoka. Araka ny nambaran-dRazafindravola Isabelle Sekreteran’ny Fikambanam-behivavy any Bas- Mangoky dia vinan’izy ireo ny handresy ny tsy fanjarian-tsakafo, ny hampitombo ny vola miditra ao an-tokantrano , ny hahavita tena ara-tsakafo, ny hampiroboroboana ny fikambanan’izy ireo isaky ny faritra, ny hanondrana vary evoka any ivelan’ny Nosy ary ny handray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena. Nozarain’ny Profesora Jalloh Abdulai Talen’ny fikarohana eo anivon’ny AfricaRice tamin’ireo mpikatroka ny tombotsoa ara-toe-karena azo avy amin’ny vary nohatsaraina na ny vary evoka, eo ny fanatsarana ny voka-bary, eo ny fampitomboana ny fiharian’ny tantsaha mpamokatra raha eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT