Vokatry ny fihinanana Fano na sokatra an-dranomasina izay voasokajy ho vokatra an-dranomasina misy poizina mahafaty noho ny fihinanany lomotra madinika tsy hita maso an-dranomasina, dia fianakaviana roa samy hafa omaly maraina sy afak’omaly no marary mafy ao Toliara, ka ny iray amin’io ao amin’ny Fokontany Mahavatse.
Araka ny loharanom-baovao azo farany, misy amin’ireo marary no miady amin’ny fahafatesana amin’izao. Na dia hita izao aza fa voararan’ny lalàna ny fanjonoana, fivarotana ary fihinanana ny sokatra an-dranomasina, dia mbola betsaka no mivarotra izany ao Toliara, toy ny eo anoloan’ny biraon’ny zandary Mahavatse. Hatramin’ny mpitandro filaminana aza mihinana Fano eo.
Tetehina dia amidy 500 Ariary amin’ny mpanjifa ny hena masaka izay tsy misarona, nefa i Toliara toerana be rivotra sy lalitra ary mafana. Rehefa mandalo ny tompon’andraikitra manao fisavana dia afenin’ny mpivarotra ny entany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.