Actualités

Fihinanana Atsantsa boriloha Olona 7 naiditra hopitaly tao Tolagnaro


  • Talata 29 Novambra 2022

Olona miisa fitobe izao omaly no voatery naiditra hopitaly tany Analapatsy, distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anosy. Raha araka ny fantatra dia tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana Atsantsa boriloha na "requin" izy ireo.

Ao amin’ny tobim-pitsaboana CSB II Analapatsy araka izany no manaraka fitsaboana ny vehivavy lehibe miisa 4, zazalahy kely iray niampy zazavavy kely roa. Voatery nalefa any amin’ny CSB I Ankilimatraha hahazo izay fitsaboana sahaza azy kosa ny vehivavy lehibe iray efa 72 taona noho izy efa marefo loatra. Fanina, nandoa, reraka ary avy hatrany dia nivalana ny fitrangan’ny aretina ka tena nampanahy tokoa ny fahasalaman’izy ireo omaly. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Miantso ireo mponina any an-toerana araka izany ireo tompon’andraikitra mba tsy ho sodoka amin’ny fihinanana ireny hazan-dranomasina mampidi-doza ireny hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny endrik’ireo atsantsa boriloha misy poizina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT