Niverina nidina an-dalambe ireo mpikambana amin’ny hetsika Fagnomba ny marainan’ny alarobia teo.
Niainga tao Tanambao ary nipaka hatreo amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitr’i Tolagnaro ny filaharana narahina filanjana sorabaventy. Mitaky ny famotsorana sy famoahana tsy misy hatak’andro ireo namany voasambotra ny talata teo, dia ny filohan’ny Fagnomba Zafinandro Perle Fourquet sy mpikambana roa hafa, no anton’ny hetsika. Vao tonga teo amin’ny tokotaniben’ny Kaominina ireo mpanao fihetsiketsehana dia raikitra ny fifanenjehana eran’ny tanàna nataon’ny zandary mirongo basy sy botan-kazo, narahina daroka sy zera vodibasy. Maro no naratra, ny sasany vaky loha.
Nentina tao amin’ny foiben’ny zandary ao Ampasikabo ireo voasambotra. Nisy 20 teo izy ireo, ary omaly zoma no nakarina ny fampanoavana. Notazonina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy ny 10, ka anisany Rtoa Zafinandro Perle mpitarika ny Fagnomba. Ity farany izay manohitra ny fambaboana tsy amin-drariny ny tanin’ny tantsaha hanaovana fitrandrahana fasimainty ao an-toerana ary koa miady ho an’ny tombontsoan’ny zanaky ny Faritra Anôsy. Fanapenam-bava sy fampanginana azy amin’ny tolona ataony no heverin’ny maro ho anton’izao fitanana am-ponja azy izao. Nahazo fahafahana vonjimaika ny 7, ny ambiny navotsotra.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.