Actualités

Fihariana Ampalibe sy Lodsia Lavitry ny toerana sahaza azy


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Anisan’ireo firenena mpamokatra sy mpanondrana lodsia i Madagasikara. Tsy hita

 

 

any amin’ny tany mangatsiaka toa azy ihany koa ny voankazo lehibe indrindra eto ambonin’ny tany dia ny Ampalibe izany. Ny mahagaga, hoy ny mpandinika iray, dia mahavita manondrana kalitao tsara amin’ny lodsia na vokatra fanondrana hafa isika kanefa ny ankamaroan’ireo vokatra tonga eto dia “friperie”. Ny firenen-kafa tsy mionona amin’ny fanondranana mahazatra na mandray fotsiny ihany ireny vokatra fanondrantsika ireny fa tena miditra lalina amin’izay fomba azo hanodinana izany rehetra hampiroboroboana ny fizahantany ao aminy. Mahasarika mpizahantany tsy misy ohatran’izany izany sakafo mifototra amin’ny Ampalibe ao Maorisy izany kanefa ity firenena ity tsy mpamokatra fa mpanafatra. Tsiahivina moa fa vinan’ireo mpandraharaha momba ny lodsia eto amintsika tamin’ity taona ity ny hanondrana izany hatramin’ny 16.000 taonina ka alefa mihazo an’i Eoropa ny 13.000 taonina ho an’ny taom-piotazana 2020-2021. Hita ho mbola lavitry ny toerana tena tokony ho sahaza azy tahaka ny fihariana lavanila koa araka izany ireto fihariana miisa 2 ireto raha tokony hitondra fampivoarana lavitra ny toekarena Malagasy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT