Actualités

Fihaonan’ny Miara-manonja ny 06 febroary Hosakanan’ny Mpitondra amin’ny fomba rehetra ?


  • Talata 02 Febroary 2021

Tsy mbola nambara hatry ny omaly ny toerana hanatanterahana ny

 

 

 

 

fitsangantsanganana ny 06 febroary ho avy izao, karakarain’ny avy amin’ny fanoherana amin’ny alalan’ny Miara-manonja. Ny fandaminana sy ny baiko rehetra ataon’ny Miara-manonja, dia avy any amin’ny MBS Anosipatrana no miainga. Aza manaiky horebireben’ny olona sy izay tetika miainga any ambadika. Mbola tsy holazaina mihitsy ny toerana, ary ho fitandroana ny filaminan’ny tsirairay no antony, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly. Hisorohana ny filazana fa hanao diabe, miketrika rà mandriaka,… Misy miketrika “badge” sy “polo” any ambadika any hoenti-manasoketa ny miara-manonja, ary hararaotina ny fahantran’ny olona ka 5000Ar monja no sarany homena ireo karamaina hanao izay teti-dratsy izay, raha ny nambaran’I Eric Randrianaivo ao anatin’ny Miara-manonja. Ny azo antoka, dia manara-maso akaiky ny mpanohitra ny Fitondram-panjakana. Efa mandeha ihany koa ny karazana fandrahonana sy fampitandremana ataon’ireo manam-pahefana avy amin’ny mpitandro filaminana. Tombanana ho efa misy ny fiomanana hanakana sy handrava ny hetsika heverin’ny mpanohitra hatao. Hanahirana sy vao mainka hanaratsy endrika ny Fanjakana ankehitriny ny fahazoan’ny mpanohitra olona maro be, ka tsy maintsy atao izay fomba rehetra ahafahana mandrara sy mandrava izany. Mety ho endrika maneho, fa tohina sy tofoka amin’ny fitondrana ny vahoaka matoa be mpanara-dia ny mpanohitra, ka atao izay handravana sy handotoana azy. Ny avy amin’ny fanoherana etsy an-daniny maneho, fa tena efa maro ny nisoratra anarana ao anatin’izany, ary mandeha ny fandaminana samihafa. Samy manomana ny fomba fiady ara-politikany ny andaniny sy ny ankilany, ka samy miandry izay ho tohiny ny rehetra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT