Actualités

Fihaonan’i Hajo sy ny mpianatra haifiarahamonina “Zava-dehibe ny fametrahana politika sahy sy mazava”


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Nanatanteraka fihaonana, famelabelaran-kevitra tamin’ireo mpianatra taona fahatelo manaraka ny lalam-piofanana haifiarahamonina na « Sociologie »

teny amin’ny oniversiten’Antananarivo omaly ny filoha nasionalin’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga, Hajo Andrianainarivelo. Fihaonana mifandray amin’ny fandaharam-pianaran’ireo mpianatra hiresahana ny tontolon’ny politika io, raha ny fanazavana. Lohahevitra noraisina nandritra izany ny hoe « Olana eo amin’ny rafitra politika sy ny fampandrosoana eto Madagasikara ». Zava-dehibe ny fametrahana politika sahy sy politika mazava ary hentitra ho an’ny fampandrasoana ary hitondrana fanavaozana ho an’ny firenena, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko MMM. Tanjona ho an’ny fizarana iarahana amin’ny mpisehatra ara-politika toy izao ny fanampiana ireo mpianatra hahafantatra bebe kokoa ny tontolo politika. Eo ihany koa ny famporisihana azy ireo handray anjara amin’izany amin’ny ho avy, hoy hatrany ny fanazavana. Ankoatran’ny famelabelarana, nisy ihany koa ny fizarana sy ny fifanankalozan-kevitra nataon’ny filohan’ny MMM niarahana tamin’ireo mpianatra haifiarahamonina nandritra izany. Tsiahivina, manodidina ny 280 isa ankehitriny ireo mpianatra taona fahatelo manaraka ny lalam-piofanana haifiarahamonina eny amin’ny anivon’ny oniversite an’Antananarivo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT