Actualités

Fihaonana UE-Afrika Miandrandra ny FED 11 i Madagasikara


  • Alatsinainy 31 Martsa 2014

Ny alarobia 02 sy alakamisy 03 aprily 2014 izao no hotanterahana any Bruxelles, renivohitr’i Belzika ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Eoropeanina sy i Afrika.

 Anisan’ny voaasa handray anjara amin’ity fivoriana manan-danja ho an’ny firenena Afrikanina ity i Madagasikara. Ny firenena Malagasy izay voasazy teo amin’ny tsy nahafahana niatrika hatrany ny karazana fihaonambe iraisam-pirenena tahaka izao taorian’ny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny taona 2009. Fatiantoka iray goavana naterak’izany ny tsy nahazoantsika ny famatsiam-bola goavana avy amin’ny Vondrona Eoropeanina dia ny «Fonds Européen de Développement» nandritra ny krizy naharitra teto amin’ny firenena.

Tsy hitsanga-menatra kosa ny fanjakana Malagasy amin’ity indray mitoraka ity satria sady hanatrika ny dinidinika rehetra hatao no afaka ihany koa mandresy lahatra amin’ny famerenana ity famatsiam-bola goavana eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana ity. Efa nialoha lalana ny delegasioana Malagasy any an-toerana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo moa ny minisitry ny Varotra Ramalason Olga. Nambarany fa miandrandra ny FED andiany faha-11 isika izay mitentina hatrany amin’ny 450 tapitrisa euros. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT