Actualités

Fihaonana tamin’i Dr Edmond Hohenjehina i Ny Rado Rafalimanana ?


  • Talata 13 Aprily 2021

Renim-pianankaviana iray mitondra ny anarana Sitraka Ambinintsoa Fanantenana no naneho sy nitonona

 

 

 

ho Mpitondra tenin'i Dr Edmond Rakotomalala omaly. “Satria mpitsabo izy dia tsy mifidy tavan'olona. Ny indrokely dia nanatona azy andriamatoa Ny Rado Rafalimanana, amin-kafetsena lehibe, hoy io vehivavy io. Tsy nampoziny fa olona manana ny lazany sy ny fahaizany ny manodidina an'i Edmond Rakotomalala. Hamafisinay eto fa tsy marina daholo ny resaka afafin'andriamatoa Ny Rado Rafalimanana. Efa nisy fepetra henjana noraisinay mba tsy hisian'ny toa ireny intsony. Ho ela velona isika rehetra! Hajao ny fepetra, miarova tena”, hoy ny fanambarany naparitaka, ary natao “identification” manokana ny mpizara vaovaon’ny zandarimaria “InfoCom seg”. Atoa Ny Rado Rafalimanana moa raha tsiahivina, dia nihaona manokana sy nitafa tamin’I Dr Edmond. “Maro ireo resakay mianaka natao indrindra ny momba ny hamonjena ny Malagasy noho ny raokandro ataony. Ary rehefa voatsabo ny Malagasy dia hovonjena koa izao tontolo izao satria izay no Ny Fanahy maha Olona... Izy tenany moa mbola hamafisina eto fa tsy manao Facebook fa mpisandoka daholo ny mampiasa ny anarany ka mila mitandrina”, hoy ny ampahany tamin’ny tatitra nataon’ Atoa Ny Rado Rafalimanana. Ny alahady maraina teo, nalaina tamina angidim-by manokana I Dr Edmond, ary voalaza fa hisy ny fifampiresahana eo aminy sy ny Filoha Rajoelina, araka ny vaovao tsy ofisialy notaterintsika omaly. Tsy mbola nisy fandisoana na fanamarinana io fihaonana io hatramin’ny fotoana nanoratana omaly alina. Ny azo heverina, dia efa nisy ny mety fiaraha-miasa na vina saika iarahan’I Ny Rado Rafalimanana sy Dr Edmond, saingy mety nanova zavatra ihany koa ny mety fihaonana tamin’ny mpitondra, raha tena nisy tokoa. Mety hiafara amin’ny fanenjehana an’i Ny Rado Rafalimanana izay tondroin-dRtoa Sitraka Ambinintsoa Fanantenana ho nanao ady an-kafetsena sy nilaza zavatra tsy marina ve ity raharaha ity ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT