Actualités

Fihaonana an-tampon’i Eoropa sy Afrika Miandrandra anjara amin’ilay 150 miliara euros ny Fitondrana


  • Alarobia 16 Febroary 2022

Handray anjara amin’ny Fihaonana an-tampon’ny Fivoriamben’ny Vondrona Eoropeanina (UE) sy ny Vondrona Afrikanina (UA) andiany faha-6 hatao any Bruxelles manomboka ny 17-18 febroary 2022 izao i Madagasikara.

Ny Filoha Rajoelina mivady arahin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny, minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, minisitry ny tontolo iainana no mitarika ny delegasionina any an-toerana. Lohahevitra maro no hodinihina any: famatsiam-bola, fahasalamana sy ny vaksiny, fiompiana sy fampandrosoana maharitra, fampianarana, kolontsaina, fanofanana arak’asa, fanampiana ireo sehatra tsy miankina, filaminana, fandriampahalemana, fahaiza-mitantana, fifindra-monina, ary ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny angovo azo havaozina. Nambara fa efa misy ny fandaharan’asa mandritra ny 6 taona ao anatin’ny PIM (Programme Indicatif Multi-annuel 2021-2027 isika, lazaina fa narindra mifandraika amin’ny PEM (Plan Emergence Madagascar), ka ilazana fa laharam-pahamehana ny fahaiza-mitantana sy ny fampivoarana ny mahaolona, fampandrosoana maharitra, fiarovana ny tontolo iainana. 492 tapitrisa no azontsika tamin’ny PIM ny nanomboka ny taona 2014, izay nifandraika tamin’ny FED (Fond Européen de Développement) andiany faha-11. Mba hiandrandra fanampiana sy anjara tohana ara-bola indray aloha izany Fanjakana Rajoelina. Volabe hatrany amin’ny 150 miliara euros mantsy no hahetsiky ny Vondrona Eoropeanina anatin’ny tetik’asa “Global Gateway”, araka ny efa nambaran’ny Filohan’ny Kaomisionina Eoropeanina Ursula Von der Leyen, ka hanampiana ireo firenena manana tetikasa momba ny angovo azo havaozina, fampihenana ny loza voajanahary, fampiasana ny internet, ary ny famokarana vaksiny io. 59 ny firenena Afrikanina, mahazo 2,5 miliara dolara mahery avy raha zaraina mitovy. Raha raisina amin’ny toe-javatra sy fahasahiranana mahazo an’i Madagasikara, tokony hisitraka ambony lavitra noho izany. Tena afaka mandresy lahatra ve ny mpitondra ka hahazo izay tokony ho anjarany i Madagasikara? Hamokatra ny dia sa tsy hahaleo ny sarany ny vidiny tahaka ny tany amin’ny Fihaonambe momba ny fiovan’ny toetr’andro na “COP 26” ny novambra 2021 izay “selfie” no betsaka fa ny vokatra mbola tsy tsapa hatreto. ENCADRE Marihina fa tany amin’ny COP 26 dia nanambara ny filàna famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara momba ny tetikasa hisitrahan’ny malagasy ny angovo “Ethanol” ny fanjakana Malagasy. Nandritra io ihany koa ny nikabarian’ny Filoha Rajoelina fa tokony hetsehina ilay 100 miliara dolara ho an’i Afrika. Asa mba ohatrinona no azon’i Madagasikara? Tena mahomby sy mahay mandresy lahatra ve ny Fanjakana Rajoelina? Asa amin’ity hoe: hamokatra sa ny fandraisan’anjara hatrany no zava-dehibe ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT