Hifanome tanana amin’ny fanatontosana an-tsakany sy an-davany ny fandraisana ilay fihaonambe an-tampony faha-16 ho an’ny tany mampiasa ny teny Frantsay ny Oniversite
Aceem etsy Manakambahiny sy ny komity manokana mpikarakara izany. Amin’ny alalan’ireo mpianatra ao aminy hianatra asa eto Madagasikara no hanohanan’ity sekoly ambony tsy miankina iray ity izany, izay efa mahatratra 22 isa no nisoratra anarana hatreto. Tontosa omaly teny Manakambahiny ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta notronin-dRajaobelina Mamy, delege jeneralin’ny komity mpikarakara ny fihaonambe an-kilany sy Ratrema William filohan’ny vondro-panabeazana Aceem an-daniny natrehin’ireo vahiny marobe. Nambaran’itsy voalohany nandritra izany fa vahiny manodidina ny 3000 isa no andrasana eto amintsika ny volana novambra ho avy izao hanatanterahana ny frankofonia ka ny 80 amin’ireo dia filoham-panjakana avokoa. Ankoatra izay dia ny frankofonia no fikambanana lehibe indrindra eran’izao tonolo izao. Noho izany, betsaka ny tombontsoa mety ho azon’ireo mpianatry ny Aceem ireo amin’izany. Nomarihiny manokana fa na dia efa vita aza ny fandraisana ireo parlemantera Frantsay teto amintsika (AFP) dia handray ny COMESA indray isika ny 9 oktobra ho avy izao, asa izay hahafahan’ireo mpianatra ireo manovo traikefa tsara mialoha ny handraisana ny tena frankofonia.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.