Actualités

Fihantsiana tsy mihoatra an’izao


  • Zoma 13 Mey 2016

Ny resaka no tsy atao betsaka ry Jean ny mamerina azy no tsy tanty. Asa raha mba efa henonareo izany tenin’ny Ntaolo izany, na dia efa zatra ny manao be marenina ianareo, ka any an-tanin’olona avy no manondrana.


Eto an-tanàna ianareo tsara resaka sy mampandry adrisa ery fa tsy manam-bola, sahirana, aleo aloha mihafy ... Hay izato ianareo ry Jean ka manao saka manafin-koho fotsiny. Ny mpamosavy mandeha alina anie aza ka misy mahita e ! F’angaha raha hoe any andafy any dia tsy ho fantatray ? Dia inona indray izao no holaizanareo amin’izany fiaramanidina manokana jet izany e ? Izao ianareo ataon’ny olona resabe, fa tombontsoa manokana no mahamaika anareo fa tsy tombontsoan’ny besinimaro an. I Jean moa mangina be, ka efa fantatrao ihany ilay hoe manaiky matoa tsy miteny e ! Fihantsiana anie tsy misy toy izany ataonareo izany ry Jean e ! Ny olon-drehetra terenareo hihafy, nefa ianareo kay milela-molotra any ambadika any. Aiza moa no tsy ho betsaka ny ahiahy ry Jean.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT