Manasongadina ny lanjan’ireo milina haingam-piasa sy avo lenta , toy ny
fiarovany amin’ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny “caméra de surveillance” sy ny fanakanana ny karazana “espionnage éléctronique” tahaka ny “ange gardien” sy ny “explicateurs”, karazana “applications” raitra ny orinasa Ericsson. Manatsidika sahady ireo fitaovana avo lenta ho avy, izay ampifandraisina amin’ny tambajotram-pifandraisana. Ny mpanjifa dia mametraka ny fangatahany ny hivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana harifomba ahafaha-misitraka ireo tolotra haingana sy matanjaka. Miakatra ny filàna ny tolotra ara-tserasera matanjaka kokoa mifandraika amin’ireo masinina haingam-piasa ilàna izany. Saika efa mila ny tambajotra 5G ny fitaovana sasany, ary mihamaro rahateo ny filàna andavanandro. Noho izany hamafisin’ny tatitra « ConsumerLab 10 Hot Consumer Trends 2030 » ny hanomezan-danja ireo karazana fitaovana raitra manampy amin’ny fiainana andavanandro. Ny zavatra andrasan’ny mpampiasa voalohany ny teknolojia 50 tapitrisa amina tanan-dehibe miisa 15, dia tsy hamaivanin’ny Ericsson. Endrika masinina na fitaovana harifomba 112 amin’ny fifandraisana no isan’ny misongadina ny anjara toerany amin’ny ho fanamorany ny fiainana andavanandro. Misy ireo 10 voalohany amin’ny tolotra tena andrasan’ny mpanjifa hatramin’ny 2030, izay samy manana ny asany toy ny Body bots ; Anges gardiens, bots communautaires (karazana fanaraha-maso ara-eletronika manoro ny « quartier » misy ireo tsy ao anatin’ny vondron’olona iray na ny « intrus ») ; « bots durabilité » (mifandraika amin’ny fampitandremana ara-toetr’andro) ; « Agents de la maison », Explicateurs, Gofers de connectivité, Baddie bots, Créateurs de médias,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.