Actualités

Fifohana sy fivarotana héroïne Tovolahy 2 tratra teny Ambohijafy Itaosy


  • Alakamisy 14 Jolay 2022

Tovolahy roa izay samy 22 taona avy no nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina afak’omaly 12 jolay 2022 teny Ambohijafy Itaosy rehefa nidoroka sy nivarotra héroïne.

Raha araka ny fantatra dia efa narahi-maso nandritry ny fotoana vitsy izy ireo. Efa maro koa ny fitarainana voaray ny amin'ireo zatovolahy ireo izay fantatra fa manaparitaka zava-mahadomelina eraky ny tanàna mihitsy ka voatery nanaovana izao velam-pandrika izao. Tratra tao an-tranon'ny iray amin'izy roa lahy izy ireo ary mbola nahatràrana héroïne 5 cocotte. Taorian'ny fanadihadiana dia fantatra fa 5 000ar no hamarotana ny cocotte iray raha toa ka 3000ar no hakana izany,izay vao tapa-bolana no nanombohan'izy ireo nivarotana azy. Nihaiky avy hatrany ireto roa lahy ireto fa efa mivarotra ary mandray an’io zava-mahadomelina io. Natolotra ny fampanoavana omaly 13 jolay ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy roalahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT