Olona miisa fitobe izao no nosamborin’ ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina teny Ankazomanga ny Alatsinainy 09 Aogositra lasa teo
tokony tamin’ny 02 ora tolakandro rehefa nifoka rongony mahery vaika antsoina hoe « Cristal Amphétamine » irony. Nahazo vaovao ny polisy fa misy trano fifohana rongony mahery vaika eny amin’iny faritra iny. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana izany ny polisy. Olona miisa 07 ba izao vokatr’izany no sarona tao ka vehivavy ny 03 raha lehilahy ny 04 izay mbola tratra teo am-pifohana ihany koa. Tamin’ny fisavana ihany koa dia nahatrarana rongony « Cristal Amphétamine » milanja 1.7grama sy ireo fitaovana fifohana na « BANG » miisa 03 sy « briquet » miisa 06 ary sachet plastika fitoeran’ireo rongony mahery vaika tany amin’izy ireo. Nentina avy hatrany teny anivon’ny biraon’ny Polisy ireto olona ireto nanaovana fanadihadiana. Tamin’izany no nahafantarana fa mpifoka rongony ny 06 amin’izy ireo ary lehilahy iray kosa no mpanatitra izany rehefa hifoka ireto olona ireto. Fantatra ihany koa fa 200.000Ariary no hividianana ny 1grama amin’ity rongony mahery vaika ity ary in-droa no fanaterana izany isan-kerinandro ka 2grama isaky ny manatitra. 23 taona ny zandriny indrindra raha 40 taona kosa ny zokiny indrindra amin’ireto mpifoka rongony ireto. Natolotra ny fampanoavana omaly izy 7 mianadahy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.