Saika nisy namono ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, ny herinandro lasa teo, raha ny fampitam-baovao voaray.
Noho ny fampitam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo anefa dia ny herinandro ihany dia voasambotra ireo roalahy saika hanao ny asa ratsy. Niakatra fampanaovana tamin’ity herinandro ity izy roalahy ireo ary notanana am-ponja vonjimaika avy hatrany taorian’izay. Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitsara famotorana ahafantarana ny tompon’antoka amin’ny fikasana ny famonoana ny filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany eny amin’ny antenimieram-pirenena, Naivo raholdina, ity. Mampitandrina ireo izay mbola miriaria mikasa hanipy baomba ao amin’ny tranony ihany koa i Naivo Raholdina raha ny nambarany satria efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Ankoatra ny filoham-pirenena sy minisitra vitsivitsy dia ny depiote Naivo Raholdina ndray izany no manampahefana nisy nifofo ny ainy raha ny vaovao azo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.