Actualités

Fifidianana ny mpikamban’ny CCIT Nidiran’ny viriosin’ny tetezamita ihany koa


  • Talata 12 Febroary 2013


 Raha ny didim-pitondrana laharana 29.504/2012-MINCOM ny 08 novambra 2012, dia ny 08 febroary 2013 teo no tokony nanaovana ny fifidianana izay mambra ny Antenimieran’ny varotra sy Indostria Toamasina (CCIT). Tafiditry ny viriosin’ny tetezamita koa angamba anefa tao amin’ny mambra ny “Comité ad’hoc” koa nahemotra ny 16 martsa 2013 indray izany fifidianana izany araka ny didim-pitondrana 2264/2013-MINCOM ny 06 febroary 2013 lasa teo. Noho ny fanomanana ny ara-teknika rehetra no anton’ny fanemorana ny fifidianana araka ny nambaran’Atoa Rajaona Mbola filohan’ny “Comité ad’hoc”, izy tenany mihintsy anefa no nilokaloka ny volana desambra 2012 lasa iny fa efa vonona io ara-teknika io, ary efa nahazo fitaovana “manara-penitra” ihany koa hanaovana ny asa rehetra amin’ny fanomanana ny fifidianana izany.

Raha ny re anefa dia disadisa eo amin’ireo “collège” izay mambra mpifidy eo anivon’ny Antenimieran’ny varotra Toamasina no anton’ny fanemorana. Ny GEPAT na ireo vondron’ny mpandraharaha ara-indostria sy ny GEL vondron’ny mpandraharaha mpanondrana lodsia, no tena olana eo anivon’ny CCIT ity. Samy mikendry ny ho filohan’ny CCIT avokoa ny mpikambana eo anivon’ireo “collège” ireo.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT