Actualités

Fifidianana ny biraon’ny OJM Milaza ho tsy mitsabaka ny minisitera


  • Talata 07 Septambra 2021

Noraisin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, tetsy amin’ny birao fiasany Anosy ireo solotenan’ny Komisionana hitambarana hisasahana

 niandraikitra ny famoahana ny lisitra ofisialin’ireo mpanao gazety hahazo ny karatra maha matihanina omaly, araka ny fampitam-baovao tao amin’ny pejin’io minisitera io. Nandritra izany fihaonana izany ihany koa no nitondran’ny Komisiona tatitra tamin-dRamatoa Minisitra ny dingana rehetra narahan’ny komisiona, nialohan’ny namoahana io lisitra ofisialy io. Natolotra ny Minisitra ihany koa ny tetiandro entina manatanteraka ny fifidiananana izay ho birao vaovao handrafitra ny holafitry ny mpanao gazety, ka hotanterahina ny 16 oktobra izao izany fifidiananana izany ary mpikambana miisa 93 no ho fidiana amin’izany miainga amin’ny fifidiananana lisitra (Scrutin de liste). Nilaza ho tsy mitsabaka amin’ny fifidiananana sy ny fanomanana samihafa ny Minisitera hoy Ramatoa Minisitra fa hanampy fotsiny ihany amin’ny lafiny teknika araka ny fangatahana ataon’ny komisiona amin’ny tohana ilain’izy ireo. Zava-dehibe ny hirosoana amin’ny fifidiananana ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety satria efa tamin’ny taona 2017 no tsy nanana izay birao izay intsony ny holafitra, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Mpanao gazety 1509 no voalaza fa voasoratra ao anatin’ny lisitra ofisialy navoakan’ny vaomiera, taorian’ny fepotoana nomena ny mpanao gazety hanaovan’izy ireo fanamarihana tamin’ny lisitra vonjimaika nivoaka teo aloha. Asa aloha raha tena mizotra makany amin’ny hoe: fiadiana ny tombotsoa ho an’ny mpanao gazety tokoa na mandeha any amin’ny kajikajy politika. Ny tsy azo lavina, dia anjorom-bala hatrany ny haino aman-jery sy fampahalalam-baovao tsy mpiara-dia amin’ny fitondrana na amin’ny fisitrahana loharanom-baovao io, vitsy ny minisitera sy departemantam-panjakana miantso, toy izany ihany koa ny amin’ny mety ho tombotsoa toa ireny famoahana an-gazety tsenam-panjakana ireny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT