Fifidianana

> Septambra sa oktobra sa tsy hisy mihitsy ?


  • Sabotsy 10 Aogositra 2013

Araka ny nambaran’ny filohan’ny CENI-T Rtoa Atallah Béatrice omaly dia heverina ho tanterahana eo anelanelan’ny 08 ka hatramin’ny 18 oktobra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ; ary any amin’ny tapaky ny volana desambra any kosa ny fihodinana faharoa miaraka amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka.

Vinavinan’ny CENI-T io, fa tsy hoe : daty efa raikitra sy eken’ny rehetra tsy akory. Miankina amin’ny filaminan’ny raharaha politika faran’izay haingana no hampisy na tsia ny fifidianana amin’ity taona ity, hoy ihany Rtoa Atallah Béatrice. Ny bileta tokana moa dia voalaza fa efa vonona hiantoka manontolo ny fanamboarana azy ny atsy Afrika Atsimo, saingy miandry ihany koa ny fahatanterahan’ilay didy fiton’ny GIC M, fa rehefa tsy tanteraka ato anatin’ny roa herinandro io dia efa mampamangy indray aloha ny fanontana ny bileta, tokana, ka rehefa tsy vita ny bileta tokana dia tsy misy izany ny fifidianana. Resaka heverina fa mora alamina ny ara-teknika, fa ny lafiny ara-politika no tena mampihisatra ny zotram-pifidianana eto amintsika. Mbola resaky ny moana sy ny marenina mantsy, hatreto aloha no misy, ao ireo manohana tsy misy fepetra ny didin’ny sehatra iraisam-pirenena ka izay tenin’ny GIC M sy ny SADC dia tsy maintsy tanterahana avokoa.

Misy kosa ireo tsy manaiky lembenana, ary manizingizina fa ny Malagasy ihany no tena mahalala ny olan’ny Malagasy ary mahita ny vahaolana fa tsy tokony miditra lalina amin’io ny vahiny, eny fa na dia manampy antsika aza. Ny mpanelanelana, mihevitra fa vita ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka vao tena irosoana ny fampihavanam-pirenena. Maro amin’ny Malagasy kosa anefa no resy lahatra fa tsy maintsy mihavana, miresaka sy mifanazava aloha ireo nifanditra izay vao irosoana ny fifidianana, fa raha tsy izany dia tsy maintsy korontana no hitranga eto. Maro no mihevitra sahady, indrindra taorian’ity fanambaran’ny filohan’ny CENI-T ity, fa tsy hisy fifidianana izany raha ny amin’ity taona 2013 ity aloha, satria tsy ho voalamina ato anatin’ny iray na roa volana ny fifandirana politika ; ary izao aza dia efa misy fihemorana sahady ilay daty tsy mbola fantatra, satria teo aloha nambara fa amin’ny volana septambra ny fiodinana voalohany dia amin’ny faran’ny volana novambra ny fiodinana faharoa ; izao milaza indray ny CENI-T fa amin’ny volana oktobra indray ny fiodinana voalohany.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT