Fifidianana

> Nalatsaka anaty fahavaratra, hanamora ny hala-bato


  • Zoma 23 Aogositra 2013

Nambara tamin’ny fomba ofisialy omaly teny Alarobia fa dia ny zoma 25 oktobra no hotanterahana ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany ary ny zoma 20 desambra kosa ny fihodinana faharoa miaraka amin’ny fifidianana solombavambahoaka.

Mametra-pialana 60 andro mialoha ny andron’ny latsa-bato, izany hoe ny 26 aogositra raha ela indrindra, ireo mpitondra fanjakana nirotsaka ho kandida amin’io fifidianana io. Ny fivoriamben’ny CENI-T niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika avy any ivelany no nanapaka io datim-pifidianana io, ary voasonian-dRamatoa isany Atallah Béatrice filohan’ny CENI-T sy Fatma Samoura ny taratasy ofisialy mirakitra izany. Ireo mpikambana ao amin’ny CENI-T, ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Eoropeanina, ny SADC, ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana, ny fikambanamben’ny Frankofonia, ny solontena avy eny amin’ny prezidansa sy ny primatiora ary ny ministeran’ny vola no niara-nikaon-doha teny amin’ny foiben’ny CENI-T teny Alarobia omaly, ka namoaka io datim-pifidianana io. Nangataka famindram-po manokana any amin’ny CES ny amin’ny hanatanterahana fifidianana mandritra ny vanim-potoan’ny orana ny CENI-T, satria ny voatondron’ny lalàna dia ny hoe : mandritra ny vanimpotoan’ny maintany foana no anaovana ny fifidianana eto Madagasikara, saingy noho ny tranga ara-politika sy ny fifandaminana moa dia tsy voahaja io fe-potoana io fa dia anatin’ny fahavaratra tanteraka izany no hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka amin’ity taona ity.

Nanao antso avo ho an’ny mpanao politika mba ho tony sy hanana ny antsoina hoe : “Fair-play”, mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana Rtoa Atallah Béatrice. Tsy nohadinoiny ihany koa ny nanentana ny vahoaka Malagasy, mpifidy mba ho tonga maro be amin’ny andron’ny fifidianana, ka tena hifidy araka ny fandaharanasa sy ny vinam-piarahamonina hitany fa mahasoa ny firenena tokoa, fa tsy sanatria hifidy tsangan’olona fotsiny sanatria. Niantso manokana ny mpampahalala vaovao mba hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ary araka ny tokony ho izy ny asany amin’ny fampahafantarana ny olom-pirenena ny zava-misy marina momba ny fifidianana ihany koa ny filohan’ny CENI-T, satria manana toerana goavana ny resaka serasera amin’ny vanim-potoana tahaka izao. Zava-dehibe ihany koa hoy izy, ny fanohanana sy ny fanampian’ny sehatra iraisam-pirenena an’i Madagasikara amin’izao dingana lehibe hatrehany izao. Izay izany no izy fa dia nivoaka indray ny datim-pifidianana fahatelo, taorian’ny 3 mey, 24 jolay… Tena fanirian’ny maro an’isa ny hifaranan’ny krizy sy ny hijoroan’ny fanjakana voafidim-bahoaka amin’izay. Ny somary manahirana amin’ny resaka anefa dia mazava be izao fa tena tery vay manta no ataon’ny sehatra iraisam-pirenena amintsika, ka na ho vy na ho vato dia tsy maintsy atao haingana ny fifidianana, ary mandritra ny fahavaratra, izay manamora ny hala-bato, izay tranga mpiseho isaky ny misy fifidianana eto Madagasikara.

Re fa dia tena handefa fitaovana arifomba hanome fiaramanidina kely sy helikoptera, fiara tsy mataho-dalana ny sehatra iraisam-pirenena handavorariana ny fifidianana. Soa ny fanampiana, fa ny olana dia ny hoe : ny safidim-bahoaka tena izy marina ve no hipoitra amin’ny alalan’ny fifidianana ho avy eo ? Mbola azo antoka ve fa hazoto handeha hifidy ny olona raha nailika ny kandida anisan’ny goavana indrindra ? Ary na atao aza hoe : vita ihany ilay fifidianana, dia haharitra hafiriana eo amin’ny fitondrana indray ilay filoha voafidy satria mety ho ny vitsy an’isa no nandany azy, no sady azo antoka fa hatanjaka ny mpanohitra azy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT