Nosantarina ny sabotsy 21 septambra teo ny fanentanana mikasika ny fampiasana ny bileta tokana amin’ny fifidianana ho avy.
Andrasana ny tatitra ofisialy hataon’ny CENI-T tompon-draharaha raha tratra araka ny niheverany azy ny tanjona, na fanombohana ihany aza iny, fa raha ny zavatra hita dia mbola tena anatin’ny fisalasalana amin’ny hisian’ny fifidianana ny Malagasy. Tsy nahafeno ny Colésium de Madagascar eny Antsonjombe ny mpikarakara na teo aza ny fanentanana totoafo tamin’ny haino amanjery sy ireo artista maro nasaina hanafana ny fotoana. Ny filohan’ny CENI-T, Rtoa Atallah Béatrice aza tsy tonga teny. Ao ny milaza fa tratry ny tsy fahasalamana izy, ny nambara teny ambony lapihazo indray dia hoe voatana amina andraikitra hafa izy izay mampametra-panontaniana ihany satria efa fandaharam-potoana voatondro hatry ny ela sady manan-danja ny 21 septambra. Ireo mpiara-miombon’antoka vahiny indray no tonga maro, toy ny PNUD notarihin-dRtoa Fatma Samoura, ny Vondrona Eoropeanina niaraka tamin’i Leonidas Tezapsidis, ny COI notarihin’ de l’Estrac, SADC … Nasaina avokoa ireo kandida 33 fa Atoa Raharimanana Patrick, kandidan’ny “Vitatsika io” no hany namaly ny antso. Ny minisitra Manantsoa Victor no hany mpikamban’ny governemanta tonga. Maro koa ny fanitsiana tsy maintsy harenin’ny CENI-T teo amin’ny fanentanana. Lazain-dry Fou Hehy fa misy laharana 1 ka hatramin’ny 33 amin’ny bileta, izay diso tanteraka satria 33 no isan’ny kandida fa ny laharana dia misy hatramin’ny 41. Nampiany fa rehefa vita ny fanisam-bato dia miala ao amin’ny birao fandatsaham-bato ny vokatra dia mankany amin’ny Fokontany, dia mankany ambadika any … Tsy mahagaga raha misy amin’ireo olona tonga teo Antsonjombe no mbola mieritreritra hampiasa karinem-pokontany amin’ny fifidianana rehefa nanontaniana ny fitaovana entina rehefa ho any amin’ny birao fandatsaham-bato.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.