Fifidianana

> Atao filamatra ny tamin’ny 1993


  • Alakamisy 24 Oktobra 2013

Ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 1993 izay nifanandrinan’ny amiraly Didier Ratsiraka sy ny profesora Zafy Albert tamin’ny fihodinana faharoa ka nahalany ity farany no fifidianana tsara rindra indrindra tamin’ny tantaram-pifidianana teto Madagasikara, araka ny nambaran’i Eric Rakotoarisoa, mpahay lalŕna.

Mbola ny Ministeran’ny Atitany no niandraikitra ny raharaham-pifidianana tamin’izany saingy tena nisy ny tsy fiandaniana nataon’ny tomponandraikitra, araka ny fanazavany. Nanamarika kosa Rasolo André fa manohana kandida ny fanjakana ankehitriny na dia tsy manambara izany mivantana aza. Ireny “medecins inspecteurs” sy ireny chef cisco ireny mazàna no fitaovana fanerana ny olona hifidy ny kandidam-panjakana, hoy hatrany ny fanazavany. Namelabelatra ny tantaram-pifidianana teto Madagasikara tamin’ireo mpanaramaso ny fifidianana avy amin’ny vondrona SADC izy mirahalahy ireto nandritra ny loabary an-dasy nokarakarain’ny FES. Ny ahafantaran’ireto vahiny ireto ny zava-misy eto an-toerana moa no antony. Nisy ny antso natao ho an’ireo kandida resy mba hanaiky ny fahareseny satria izay no miantoka ny fankatoavana ny valim-pifidianana. “Fankatoavan’ny Malagasy aloha vao ny fankatoavana iraisam-pirenena fa raha mivadika amin’izay dia tsy izy”, hoy Rasolo André.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT