Fifidianana amin’ny 25 oktobra

> “Natao ho an’ny mponin’ny tanŕn-dehibe”, hoy ny APRN


  • Sabotsy 19 Oktobra 2013

Vory lanona mikaondoha etsy Ivato ireo Malagasy tsy mankasitraka ny fanatontosana ny fifidianana amin’ny 25 oktobra izao mivondrona ao anatin’ny APRN “Alliance pour la Paix et la Réfondation de la Nation”. Mahatratra 400 izy ireo izay avy amin’ny lafivalon’ny Nosy.

Ventin-kevitra nentin’ireo delegasiona avy any Antsiranana ny fampirisihana ny fampihavanana tanterahan’ny FFKM. “Tsy mazava amin’ny olona ity fifidianana ity fa irotorotoana loatra”, hoy i Gara Laurent Jean Robert, Governoran’ny Faritanin’Antsiranana tamin’ny fitondran’ny Amiraly farany. Nanamafy koa ry zareo avy any Toliara fa fifidianana natao ho an’ny mponin’ny tanàn-dehibe samirery io raha tsy hilaza afa-tsy ny zava-misy ao Soanala fotsiny. “Misy fanafihan-dahalo foana isan’andro any aminay ka tsy maintsy manara-dia ny olona ary tsy miverina an-tanàna raha tsy miverina amin’ny tompony ny omby. Raha sendra misy hazolava amin’io 25 oktobra io dia avelan’ny olona any ny fifidianana”, hoy i Manapototse. Any Manakara indray dia vao tamin’ny alarobia teo no tonga ny lisi-pifidianana sy kara-pifidianana ho an’ny Faritra Vatovavy Fitovinany iray manontolo, izany hoe tsy misy tokotaniny raha izay fifidianana hoy i Yvon Olivier, mpitondra tenin’ireo mpivory avy any Atsimo Atsinanana (Grand Sud Est). Iraisan’ny rehetra kosa ny fitakiana ny fametrahana ny filaminana aloha amin’ny alalan’ny fandaminan’ny samy Malagasy ny olany tsy idiran’ireo vahiny. Ankoatra izay dia mila mipetraka koa ny lalàmpanorenana vaovao vao miroso amin’ny fifidianana tsangan’olona satria efa maty momoka sahady ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 izay hitsahin’ny tondrozotra, araka ny hevitr’i Andriamahazo Jean René avy any Toamasina. “Raha sahy ny filohan’ny FAT sy ny praiminisitra dia manaova fianianana fa hitondra filaminana io fifidianana io”. Tsy manan-kevitra ny hanakorontana ny fifidianana anefa ity vovonana ity na dia manohitra izany saingy manahy ny tsy hisian’ny tsy mahazaka resy.

Yves

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT