Fifidianana 2013

> Niavaka indrindra hatramin’izay


  • Alakamisy 26 Septambra 2013

Tena hafa raha samy fifidianana ity hotanterahana amin’ity taona 2013 ity, hoy Razafimbelo Lily, mpikambana ao amin’ny «Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes» na CCOC.

 

Raha ny zava-misy ankehitriny mantsy dia mbola miaina ao anaty krizy amin’ny lafiny rehetra mihitsy isika eto Madagasikara ka mahatonga ny fanontaniana mipetraka avy hatrany amin’ny mety vokatra aterany. Hanala ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy tokoa ve ary hampilamina sy hitondra fitoniana eto amin’ny firenena araka ny fiheverana azy ? Mbola mampiavaka ity latsa-bato indray mitoraka ity ihany koa, hoy ity mpikambana ao amin’ny CCOC ity, ireo bolongam-bola betsaka nitobaka avy amin’ny fianakaviambe Iraisam-pirenena izay tsy mbola nisy hatramin’izay teto amin’ny fiainam-pirenena malagasy ka mahalasa saina amin’ny fiandrianana sy ny fahaleovantenam-pirenena. Amin’ity fikambanana ity dia tsy tanteraka ny fepetra farafahakeliny hanatontosana ny fifidianana ka mila mameno ny tsy ampy isika mba tsy ho very maina ny ezaka rehetra efa vita satria mbola misy ny fotoana. 

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT