Actualités

Fifidianana 2011 Mizarazara ny hevitry ny Malagasy


  • Talata 17 Mey 2011

Tsy vao izao fa efa elaela ihany izay no niteraka adihevitra teto amin’ny firenena ny firosoana na tsia amin’ny fifidianana.

 Raha ho an’ny FAT manokana dia heverin’izy ireo fa io ihany no hany lalana hivoahana amin’ny krizy. Ho an’ny ankamaroan’ny mpanao politika sy olon-tsotra anefa dia hiteraka olana vaovao indray ny finiavana hiroso amin’izany raha toa ka tsy voaomana araka ny tokony ho izy, sy iarahan’ny rehetra manapaka. Ho an’i Tantely Andrianarivo, praiministra tamin’ny andron’ny amiraly dia nilaza fa tsy tokony hatao amin’ity taona ity izany. “Tsy hiteraka tombontsoa ho an’ny firenena fa hitondra olana vaovao. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena toy ny Vondrona Eoropeanina dia samy nahita fa tsy tokony hatao amin’ity taona ity izany fifidianana izany”, hoy izy. Betsaka ny zavatra tokony mbola hojerena sy hodinihina, raha tsy hiteny afa tsy ny amnistia, hoy ihany izy. Etsy andanin’izany dia nambaran’ny Dr Randriamiandrisoa Joseph, avy amin’ny Ankolafy Zafy Albert fa tokony hatao anaty fitoniana tanteraka ny fifidianana.

Enim-bolana tsy hahavitana manomana fifidianana, araka ny tokony ho izy, hoy izy ary dia fanontaniana maromaro no napetrany ny amin’izay fifidianana hataon’ny FAT, fifidianana inona no hatao, hoy izy, izay ho filoham-pirenena, sa depiote sa kaominaly ? “Ny tanjona dia mba ho fifidianana madio sy mangarahara, izany hoe tsy tokony hisy kandidam-panjakana ka izay hahatongavana ho amin’izany no tokony himasoana”, hoy ihany izy. Ankoatra izay dia nambarany fa tokony hofantarina avokoa ireo kandida amin’izay ho fifidianana. Ny ankamaroan’ireo kandida anefa, hoy ihany ny Dr Randriamiandrisoa dia manana olana amin’ny fitsarana avokoa afa tsy Monja Roindefo, Andry Rajoelina ary Zafy Albert. Izany no zava-misy marina eto amin’ny firenena, hoy ity mpanao politika ka hiteraka fahapotehana ho an’ny firenena ny firosoana maimaika amin’izany fifidianana izany.

Tsy mifanalavitra amin’izay ihany koa ny hevitry ny ankolafy Ravalomanana. Efa fantatra fa hisisika hanao fifidianana i Andry Rajoelina, hoy i Jean Louis Rakotoamboa, filoha nasionalin’ny Teza ka dia tompon’andraikitra feno amin’izay hiseho eto amin’ny firenena izy. “Tsy hanaiky an’io fifidianana io izahay satria tsy vahaolana mihitsy, tsy hampilamina ny firenena fa vao mainka handentika ara-tsosialy sy ara-toekarena. Vonona hidina an-dalambe izahay”, hoy ihany Rakotoamboa. Araka ny fanazavany dia ny fisisihana nanao fifidianana tamin’ny 1991, 1997, 2002 no anisan’ny fototry ny krizy niverimberina teto Madagasikara. Fa ho an’ny olon-tsotra kosa dia “amboletra ny fanatanterahana fifidianana hihazakazahana hahazoana fankatoavana kanefa ny olona rehetra tokony hiditra amin’izay tetezamita tsy vonona akory”, hoy i Fanantenana. Tokony hoeken’ny rehetra ny tetezamita vao afaka hikarakara fifidianana madio sy mangarahara. Noho izany ny fihazakazahana amin’ny fifidianana, hoy izy dia azo lazaina fa hampidi-doza ho an’ny firenena. Ny vahaolana tokony hatao, hoy ihany i Fanantenana dia ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana ny amin’izay hisiana tetezamita iaraha-mitantana izay vao hatao ny fifidianana. Rehefa eken’ny rehetra ny tetezamita, tsy tokony ho olana intsony ny hamaritana ny fitsipika mifehy ny fifidianana.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT