Niantso ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ary ny
ministeran’ny fitsarana mba hijery akaiky ny hanaraha-maso ary hihaino ny fitarainan’ny fianakaviana, Ravelonanosy Bruno, izay solontenan’ny mponina eny Antanandrano Avaradrano, faritra Antananarivo, izay miady amin’ny orinasa Telma sy ny olana tany any Manakara, faritra Fianarantsoa, Nosy be, faritra Antsiranana ny antenimieram-pirenena. Tamin’ny alalan’ny vaomieran’ny fanajariana ny tany sy fitantanana ny fananantany ary ny vaomieran’ny lalana taorian’ny fivoriana manokana nandinihina ny olana sy ireo fitarainana aman-jatony tonga eny amin’ny antenimieram-pirenena ady tany madio mivadika ady heloka, ary mifarana amin’ny fanagadrana moa, raha ny voarakitry ny tatitry ny vaomieran’ny fanajariana ny tany farany teo no nanatontosana izany. Mihaino ny fitarainan’ny vahoaka voan’ny tsindry hazo lena sy mitondra ny hetahetan’ny vahoaka amin’ireo mpanatanteraka koa ny solombavambahoaka, hoy ny fanazavana, ankoatry ny maha mpanao lalàna azy. Taorian’ny fandaniana ny tolo-dalàna natolotry ny filohan’ity vaomiera ity, ny depiote Naivo Raholdina, mikasika ny famerenana sy fanaovana ny boky rovitra sy saritany rovitra eny amin’ny fananantany sy fandrefesan-tany sy ny tolo-dalana mifehy ny holafitry ny mpandrefy tany mpahay na “géomètre expert” dia nivory ny vaomiera tarihin’ny depiote Naivo Raholdina nandray sy nandinika ireo fitarainam-bahoaka momba ny olana ara-tany eto Madagasikara. Isan’ny nandraisana fanapahan-kevitra ho entina eny amin’ny birao maharitra ny 14 desambra izao ary nomena avy hatrany ireo minisitera voakasika dia ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy sy ny ministeran’ny fitsarana moa ity ady tany mampifanolana ny vahoakan’Antanandrano sy ny orinasa Telma ity, raha ny voarakitr’ity tatitra ity hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.