Tsy maintsy hisy akony amin’ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo firenena hafa ilay fifanolanana misy eo amin’ny ambasadin’i Torkia sy ireo teratanin’io firenena io mandraharaha eto amintsika, hoy ny profesora Radanoara Julien.
Midika ho tsy fifehezan’ny fanjakana mahefa ny zava-misy ao aminy mantsy ny fiampangan’ny masoivoho tiorka Volkan Türk Vural ny fisian’ny ivontoerana fampiofanana asa fampihorohoroana eto amintsika, araka ny fanamarihan’ity manampahaizana momba ny fifandraisana iraisampirenena ity. Mila mailo sy mandray fepetra hentitra noho izany ny fitondrana Rajaonarimampianina manoloana ny fifampihantsiana ampahibemaso toy ireny. Voalohany amin’izany ny fanokafana fanadihadiana. Firenena mahaleotena sy manana ny fiandrianany rahateo i Madagasikara ka zon’ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny mampahatsiahy ny ambasadaoron’i Torkia amin’ny fihetsika sy fitondrantena manoloana ny fombafomba samihafa mifehy ny lafiny diplomatika. Fantatra moa fa efa nanokatra fanadihadiana momba ireo fikambanana Tiorka roa mampiahiahy eto amintsika ny Samifin mba hamantarana raha tena misy tokoa ny resaka fanadiovana vola maloto na tsia
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.