Actualités

Fifaninanana “Mvola Developper” Nisongadina ireo mpianatry ny IT University


  • Zoma 29 Jolay 2022

Mpianatra 4 mirahavavy avy ain’ny IT University no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ilay fifaninanana tamin ny Hackaton Telma “Mvola Developper”,

dia Rakotonirina Liantsoa, Rakotoarisoa Miaingo Diamondra Vanya, Rasolofoson Andriambelo Liantsoa, Razafimahiny Anjara Nasolo Ericka, samy taona faharoa ao amin’ity Sekoly ambony tsy miankina mampianatra ny tontolon’ny informatika ity avokoa izy ireo, ary manodidina ny 18 taona ny salan-taonany. Niompana amin’ny antsoina hoe API (Interface de programmation d’application) moa ity fifaninana ity. Ny tetikasa antsoina hoe Y-VAROTRA, tranonkala mampifandray ny mpamatsy sy ny mpanjifa no nahazoan’izy ireo ny amboara. Karazana fampiroroboana ny varotra an’habaka na an-tranonkala, ka na orinasa na mpivarotra manokana, dia samy afaka mivarotra ny vokany ao anatin’ity voka-pikarohan’izy ireo ity. Tahaka ny manao doka ireo entana hamidy ka hampiparitaka azy ho hita haingana ny asan’io voka-pikarohana io. Mifototra betsaka amin’ny fampiainana ilay vokatra ho eny amin’ny tsena an’habaka izany no tena mampiavaka ny Y-VAROTRA, izay amin’ny alalan’ny teknolojia mazava ho azy. Tena naharesy lahatra ireo mpitsara ny fahaizan’ireto tanora ireto tamin’ity fikarohany ity, ka tsy nisy fihambahambana ny naha voasohotra ireto tovovavikelin’ny IT University ireto handrombaka io andiany voalohany tamin’ny fifaninana io. Ny 23-24 jolay teo teny amin’ny Nexta Antanimena moa no natao ny lanonana fanomezana ny loka goavana ho azy ireo, izay nahazo ny lelavola 2 500 000Ar avy amin’ny Mvola an’ny Telma.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT