Actualités

Fifaninanana mpiambina fonja 500 amin’ireo 9000 isa mahery hifaninana no ho raisina


  • Talata 09 Martsa 2021

Ny taona 2017-2018 teo dia naato ny fifaninana hidirana ho mpandraharahan’ny fonja noho ny anton’ny fifamafahoana

 

 

 

 isan-karazany izay nitohy tamin’ny fahatongavan’ity valanaretina malaza ity, hoy ny talen’ny fandraharahana ny fonja, ny inspektora jeneraly Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary. Izao izany vao ho tanterahana. Tsy misy dosie vaovao ho raisina intsony, noho izany, fa ireo dosie tamin’ny 2018 sy 2020 ihany no afaka manatanteraka ilay fifaninanana. Izay feno 21 taona ary tsy mihoatra ny 25 taona tamin’izany ihany koa no afaka mifaninana. Miisa 9000 mahery kely ireo nahafeno ny fepetra ka hifaninana ary 500 ireo ho raisina ho mpandraharahan’ny fonja, izany hoe, mpiambina fonja na “agent pénitencier” ao anatin’izany ny 13, 14, 15 martsa izao. Ho entitra ny fanaovana io fifaninanana io ary ho anaty mangarahara mba ialana amin’ny resaka kolikoly sy fanaratsiana rehetra. Mampitandrina ireo hifaninana, ireo mpandraharahan’ny fonja, ireo olom-pantatra rehetra, ny olon-drehetra tsy an-kanavaka aho fa tsy handefitra amin’ny halatra izahay. Ireo manana diplaoma BEPC no miakatra moa no afaka mifaninana ary mirefy 1 metatra sy 60 ny vehivavy raha toa ka 1 metatra sy 65 ny lehilahy, hoy hatrany ny fanamarihana sy ny fanazavany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT