Fifaninanana hiditra ho mpiasam-panjakana

> Mila mahalala olona sy mandoa vola


  • Alakamisy 22 Aogositra 2013

Ankoatra ireo sekolim-panjakana ambony misy eto amin’ny firenena dia miroborobo ankehitriny ireo ivontoerana ambony mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanomanana ireo tanora amin’ny fiatrehana ireo karazam-panadinana hidirana any amin’ny orinasa tsy miankina sy ireo mivonona ho mpiasam-panjakana.

Iray amin’ireny ny “Cours d’Appui aux Etudes Supérieures” eny Ankorahotra. Ity sekoly ambony ity dia nisafidy manokana ny hampiofana ireo mpianatra mieritreritra ny hiasa ho an’ny fanjakana malagasy. Eo aloha ny traikefa efa ananan’ny tompon’andraikitra voalohan’ny sekoly, Herizo Lalaina Dietrich Gabrielle. Fa tafiditra koa ao amin’ny fomba fijerin’ny mpitantana amin’ny ankapobeny ny fanatsarana hatrany ny fitantanana ny raharaham-panjakana malagasy. Tao anatin’ny 7 taona nijoroan’ny CAES, araka ny fanazavan’ny talen’ny ivontoerana, dia maro ireo mpianatra no tsy marisika intsony hanoman-tena amin’ny fifaninanana hiditra ho mpiasam-panjakana satria toa miha mahazo vahana indray ny fahafantaran’olona sy ny fandoavana vola mba ho anisan’ireo voaray ho mpiasam-bahoaka. Misintona ny sain’ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny moa ramatoa Herizo Lalaina Dietrich Gabrielle ny amin’ny fanaraha-maso sy fandraisana andraikitra manoloana ity tranga mampalahelo ity. Tsy vitan’ny nampiditra mpiasa tsy mamokatra ny fanjakana, hoy ny tenany fa mitarika any amin’ny fitondrana marefo sy tsy mahefa ny fisiana karazana kolikoly tahaka izany. Tsara ny mampahafantatra fa hiditra ny zoma 05 septambra 2013 izao ny andiany fahatelo ho an’ireo mpianatra hifaninana hiditra ho mpiasam-panjakana ao amin’ny ministeran’ny teti-bola sy ny fitantanam-bola ary ao amin’ny ministeran’ny Fitsarana. Hotanterahina ny 31 oktobra 2013 moa ireo fanadinam-panjakana ireo.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT