Hotontosaina ny 26 Septambra ka hatramin’ny 29 septambra ho avy izao ny fifaninana hidirana ho mpianatra polisim-pirenena andiany faharoa. Ho an’ny mpiadina élèves Commissaires Police sy élèves Officiers de Police ary ny élèves
Inspecteurs de Police dia eto Antananarivo Renivohitra no hanaovana izany. Ho an’ny élèves Agents de Police kosa dia eny amin’ny Direction Régionale de la Sécurité Publique no foibem-panadinana hanaovana ny fanadinana fiodinana faharoa. Samy hanana ny fanadihadiana hatrehiny mpiadina, raha araka ny fampitam-baovao azo. Ho an’ny élèves Commissaires de Police sy élèves Officiers de police ary ny élèves Inspecteur de Police dia misy ny adina am-bava sy antsoratra ary ny fanatanjahantena.Misy ihany koa ny test psikoteknika. Ho an’ny élèves Agents de Police indray dia misy ny adina an-tsoratra sy am-bavaka ihany koa ary ny éducation physique. Tsara ho marihina fa mbola misy ny Visite Médicale izay atao amin’ity fiodinana faharoa ity izay alaina ao amin’ny site web ny Polisim-pirenena Malagasy na manatona ny foibem-panadinana eny amin’ny Direction Régionale de la Sécurité publique isam-paritra ka ny hopitalim-panjakana irery ihany no afaka manao izany . Tsy mahazo manao fanadinana araka izany ny mpiadina tsy mitondra io Certificat Medical CM2 io. Hampahatsiahivina ihany koa ny mpiadina rehetra mba tsy hanadino ny karapanondrom-pirenena sy ny convocation noentina tamin’ny adina voalohany rehefa anao ny adina faharoa amin’ny fifaninana hidirana ho mpianatra polisy. Tsy maintsy manao short sy tee-shirt moa ny mpiadina rehetra rehefa hanao ny adina ara-panatanjahantena ary voarara ny fihinanana fanafody mampatanjaka izay mety hitera-doza ho an’ny mpiadina. Tsiahivina moa fa miisa 1450 izy ireo no hiatrika ity andiany faharoa ity rehefa tafavoaka tamin’ny fifaninana andiany voalohany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.