Miroborobo hatrany ny resaka fifandraisana eto amintsika. Zary lasa fiainan’ny olona mihitsy ny fampiasana finday na hiasana sy hiantsoana fianakaviana izany na koa hifandefasana vola.
Ho an’ny orinasam-pifandraisana Airtel manokana tarihin’ny tale jeneraliny Eddy Kapuku dia fantatra fa efa an-tapitrisany ireo mpanjifany manerana ny Nosy. Ezahin’izy ireo ny hampitombo izany mba hanamaivanana ny fiainana andavanandron’ny mponina, antony hiarahany miasa akaiky amin’ireo mpanjifany sy mpiara-miombont’antoka maro samihafa. Nankasitraka ireto farany ny Airtel andro vitsy lasa izay. Nisy ilay lalao challenge Mandresy izay nokarakarainy ka nisy ny fandefana someso mba hahazoana loka goavana ankoatra ireo nandray anjara tamin’ilay fifaninana mivarotra puce …ho an’ireo misehatra amin’izany. Ho an’ireo nahavita sy nahatratra ny ezaka notakiana taminy tao anatin’ny 3 volana izy io ka nahafahany nandray anjara tamin’ilay ankitsapaka izay hahafahana mandeha mitsangatsangana maimaim-poana any Dubai sy Nosy-Be. Tanjona tao anatin’ny hetsika ny mba hahafahana manome fahafaham-po hatrany ny mpanjifa.
Pati
Legende : Nandritra ny fisarihana ny anaran’ ireo tsara vintana sy nanolorana ny loka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.