Actualités

Fifandraisan-davitra Mihevitra hamerina ny MADA-SAT ny minisitra Ny Hasina


  • Zoma 08 Jona 2012

Raha tsaroana ny tantara, dia anisan’ny minisitry ny fifandraisan-davitra tamin’ny governemanta Tantely Andrianarivo, nametraka ny fanamby handefasan’ny Malagasy zana-bolana antsoina hoe “MADA-SAT” ny minisitra Ny Hasina Andriamanjato ny taona 2000.

Nambara tamin’izany fa efa azo ny fifanarahana teo amin’ny “Union Internationale de Telecom (UIT)” mikasika ireo toerana roa “position orbitale géostationnaire” eo ambonin’i Madagasikara hametrahana azy ity tamin’izany. Na teo aza io vinavina napetrak’i Ny Hasina Andriamanjato io tamin’izany, dia tsy mety tanteraka ilay fanamby ka na nisy aza ny fanomezana alalana efa azo, dia foana izany ankehitriny araka ny nambarany tao Toamasina omaly, raha nanontaniana azy ny mikasika io tetikasa goavana novinavinainy efa ho 12 taona io.

Mbola mihevitra ny hamerina io fandaharanasa MADA-SAT io ihany anefa ny minisitra amin’izao itazonany ny ministeran’ny fifandraisan-davitry ny tetezamita izao, koa na efa nofoanan’ny UIT aza ny fahazoan-dalana efa nomeny, dia eo am-pangatahana izany indray ny minisitra izao satria efa anjaran’ny Malagasy ireo toerana roa any ambony tsy taka-maso eo ambonin’i Madagasikara ireo, ka tsy azo avela fotsiny amin’izao. Fantatra ihany koa, hoy ny minisitra Ny Hasina Andriamanjato fa efa feno sy tsy ahitana toerana intsony ireo toerana hafa ambin’ireo firenena matanjaka sy afrika sasany, ka azontsika alaina foana ny antsika, ka raha tsy vita ny fandefasana zanabolana ho antsika Malagasy noho ny olana ara-bola, dia azontsika ampanofaina izany ho an’izay mahasahy ka ho lasa volantsika malagasy ihany avy eo, ny zanabolana rahateo ilaina foana amin’ny zavatra maro na ny “cable à fibre optique” aza no malaza amin’ny fifandraisan-davitra ankehitriny maneran-tany.

Rakoutou
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT