Tao anatin’ny herinandro indray izay. Tsy tomombana ny fifandraisana amin’ny antso an-telefaonina. Tapatapaka, tapaka ho azy ny antso, miha tsy hita ny fifandraisana na “réseau”.
Saika ahitana io olana io avokoa ireo mpampiasa ny tambazotra rehetra. Manahirana hatramin’ny fifanakalozam-bola aza ho an’ireo orinasam-pifandraisana sasany. Isan’ny nanome fanazavana momba ity tranga ity izao omaly, ohatra, ny avy eo anivon’ny MVola, izay rantsana misehatra anatin’izany anatin’ny vondron’orinasa Telma. Araka ny fanazavan’izy ireo omaly dia nisy mihitsy ny fikorontanana teo amin’izay lafiny izay ary efa eo am-pamahana ny olana ireo tomponandraikitra. Isany tena nampitaraina koa nefa tetsy an-kilany ny resaka fisosan-jotra na “connexion” amin’ny aterineto ary isan’ny tena velon-taraina tamin’izany ireo mpampiasa ny tambazotra Orange. Araka ny fitarainan’ny mpanjifa iray dia na ny fetran’ireo tolotra aza tsy mazava intsony hoe hafiriana ary rehefa inona no miasa ireo tolotra manokana na “bonus”? Isan’ny mbola mampitaraina ireo mpampiasa Telma voalaza teo koa io satria dia nisy tolotra iray nihena hatrany ny fetrany satria raha herinandro izany teo aloha dia lasa 3 andro sisa kanefa 3 andro mbola tapatapaka ihany koa. Hita ho miha ratsy hatrany araka izany ny tolotra mikasika izay fifandraisan-davitra izay eto Madagasikara ary mampametra-panontaniana hoe aiza ho aiza moa izany izao ny tohin’ilay fanadihadiana parlemantera mikasika azy ity ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.